- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena : Hain-trano, ramatoa lehibe 60 taona maty kilan’ny afo

Antanimena : Hain-trano, ramatoa lehibe 60 taona maty kilan’ny afo

Tsy tafavoaka ilay efitra nisy azy ilay ramatoa lehibe ka maty may tao.
Tsy tafavoaka ilay efitra nisy azy ilay ramatoa lehibe ka maty may tao.

Nisehoana hain-trano roa teto amin’ny faritry ny renivohitra, omaly. Tsy mbola fantatra izay antony nahatonga izany hatramin’izao

Ramatoa lehibe iray 60 taona no fantatra fa maty may kilan’ny afo tetsy Ambohibary Antanimena, omaly. Nirehitra mantsy ny trano nipetrahany. Tokony ho tany amin’ny 1 ora sy sasany tany ho any, taitra ny manodidina nahita setroka be nivoaka avy ao amin’ilay trano lehibe iray misy rihana sy efitra enina. Nanapakevitra ny olona fa hovahana ny varavarana taty ambany rihana. Tonga dia afobe no hita tamin’izany. Samy niezaka ny tsirairay nifanampy tamin’ny famonoana izany. Nantsoina ihany koa ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalàna. Naharitra ela ihany vao maty ny afo,satria efa nivoaka teny amin’ny tafo ny lelafo. Rehefa nojerena tao amin’ilay efitra nisy an’ilay ramatoa dia tamin’izay no nahalalana fa kilan’ny afo tanteraka izy. Tapitra potika avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Voalaza fa mipetra-drery ity olona ity. Tany ambony rihana no nisy azy. Tsy fantatra aloha hatramin’izao ny antony nahatonga ny fahamaizana. Re teny an-toerana fa toa hoe nanamboatra savoka niaraka tamin’ny solitany izy. Efa tonga teny an-toerana ny avy ao amin’ny BMH naka ny razana sy nitondra izany any amin’ny tranompaty eny amin’ny HJRA.

Ambohipo. Trano hafa iray  voalaza fa ana mpanakanto koa no nirehitra omaly tolakandro teny Ambohipo. Trano iray misy rihana ka ny efitra iray tao amin’ilay izy no tena noraisin’ny afo. Ny vaovao no nahalalana fa potika tanteraka io efitra io ary tsy nisy entana azo noraisiny intsony. Hatramin’izao koa tsy mbola fantatra izay niavian’ny afo.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser