- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena : Moto « bol d’or »avy naka lasantsy kila forehitra !...

Antanimena : Moto « bol d’or »avy naka lasantsy kila forehitra !

Nojerem-potsiny teo ampovoan’ny arabe ny firehetany
Nojerem-potsiny teo ampovoan’ny arabe ny firehetany

Vao avy naka lasantsy teo amin’ny fivarotan-tsolika Total teo Antanimena ambany ilay moto no nisy olana ara-teknika tampoka. Teo am-pamelomana azy ny mpitondra no nirehitra tampoka ilay moto mitondra ny marika Daytona, 125cc. Saro-belomina satria “noyé”. Mbola notohizana ihany anefa ary izay no heverina hatreto fa nitarika ny pitik’afo izay nahazo ny fitoeran-tsolika amin’ilay moto ka nitarika ny firehetany. Ny hany azo natao dia natosika teo amin’ny arabe ilay moto rehefa nirehitra mba tsy hitarika loza ho an’ilay fivarotan-tsolika. Na izany aza anefa dia nojerena fotsiny teo ny firehetana. Mety mba azo navotana ihany izany raha nanome “extincteur” ny teo amin’ny manodidina, ny akaiky indrindra dia ilay fivarotan-tsolika. Nisy hotely ihany koa teo amin’ny manodidina ary heverina fa tokony ho nanana famonoana afo izany. Saingy ny hita maso aloha dia navela niledaka teo ampovoan’ny arabe teo fotsiny ilay moto. Asa, tsitsiana koa ve ankehitriny ny…extincteur!

D.R.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser