Raha vao manomboka miverina manohy ny asa fanaony andavan’andro, ary miezaka manolotra vahaolana ho an’ny mpanjifany ny orinasa JK Group ,dia efa misy olona manakorontana sy manao ankasomparana sahady. Omaly tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka dia nisy tovolahy nandondona mafy be teo ambaravaran’ny JK Group tetsy Antanimena. Ary taorian’izay dia niditra an-keriny ity tovolahy ity ary nitabataba sy nanakorontana. Niezaka nifehy azy ireo mpiambina tao,saingy vao mainka nampiaka-peo ity lehilahy ity. Rehefa voafehy dia nentina nivoaka izy saingy raha nahita ireo mpanjifa marobe nilahatra teo ivelany dia vao mainka nanangan-tsampona. Vetivety foana dia nisy andiana tovolahy maromaro, toa naman’io lehilahy io nisiotsioka no sady nitangorona ary nikasa ny handroba. Soa anefa fa niditra an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana ka voafehy ny toe-draharaha. Voatery naparitaka tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso moa ireo olona mpanakorontana sy nikasa handroba ireo.
“Nentina tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana io lehilahy io ary rehefa nohadihadiana dia hita fa olona tsy manana “dossier” ato aminay akory; ahiana ho nisy naniraka izy mba hanakorontana fotsiny. Na eo aza anefa izany fanakorontanana izany dia mitohy hatrany ny asa fanaon’ny JK Group ary misy ihany koa ny tolotra vaovao omena ny mpanjifa amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely izao ”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Fa tranga hafakely tao amin’ny biraon’ny JK Group tetsy Antanimena ihany koa dia nisy kandidà solombavambahoaka tonga tao ary nividy ireo “bracelet Power Balance” marobe mba hentina hanaovana asa soa. Manamafy moa ny tomponandraikitra fa tokony hisy ilay sary famantarana foana ny “bracelet” zaraina ho an’ny mpanjifa.
A.R.