Olon-tsotra no nanome vaovao ny zandary ny amin’ny fisian’ny mpandraharaha ara-toekarena iray; izay manana toerana fanaovana hosoka amin’ny sakafo lany daty ary koa ireo kojakoja fanaovana mofomamy. Nidina teny an-toerana, teo Antanimena, ireo mpanao fanadihadiana nanamarina an’izany ary voaporofo tokoa ny fisian’ireo fitaovana sy ireo entana. Nisy arak’izany ny fisamborana ary fantatra fa natolotra ny fampanoavana omaly ireo olona voarohirohy tamin’izany. Fanapoizinana ny mpiara-belona tsotr’izao ny tranga toa izao ary mendrika ny hosaziana araky ny lalàna velona. Manarak’izany, ho an’ny mpanjifa dia tsara raha mba tsy mividy sakafo na kojakoja tsy fanta-piaviana mba hiarovana ny tena. Maro loatra mantsy ireo entana miparitaka ary tsy fantatra mazava na ny orinasa mpanao azy, na ny firenena niaviany na ny fenitra takiana amin’izany. Miteraka fihapoizinana sakafo avokoa izany ary eny amin’ny toeram-pitsaboana dia tsy vitsy ny olona tsaboina noho izany antony izany.
D.R