Omaly alina tokony ho tamin’ny 8 ora tany ho any, nisy mpanendaka iray tratran’ny olona teny Antanimena ary avy hatrany dia niharan’ny daroka teo. Soa ihany fa nisy mpitandro filaminana nahita ny fandehan-javatra, ka ireo no nitondra ilay jiolahy niala ny toerana. Efa tena leo mantsy ny rehetra amin’izao fotoana izao, ka izay tratra dia mahita faisana mihitsy. Etsy ankilany koa anefa, tsy mifidy koa ny mpanendaka, fa izay sendra azy dia mahita raharaha tokoa. Raha vao manomboka maizina ny andro, maro ny faritra anjakan’ny mpanao sinto-mahery, toy ny eny Antanimena, lalana Ankorondrano sy faritra hafa koa. Omaly ihany, mpandeha an-tongotra iray no sendra « mpisam » teny Ankorondrano. Toa tsy nanampo na inona na inona ilay lehilahy no nisy nisintona tampoka ny zavatra teny aminy. Niezaka nanenjika izy, satria olona iray ihany io naka ny fananany io. Tsy tratrany mihitsy anefa ilay mpangalatra. Santionany iray fotsiny io raha ny eny Ankorondrano manokana no resahana. Efa maro ireo nitondra faisana teny. Tovolahy tena mbola tanora avokoa ireo manendaka eny an-toerana. Misy fiandrasana taxi-be izay tsy lavitra elanelan-dàlana roa, miatsinanana sy miankandrefana. Eo ireo olon-dratsy no miandry. Ka raha vao avy manao ny nataony ry zalahy, dia manaraka ireo lalana roa ireo ary tsy tratra mihitsy. Koa manaitra ny tomponandraikitra ny mponina, mba hijery akaiky izany. Amin’ny fotoana maha maro ny olona miala na miandry taxi-be no tena fanaovan’ireo bandy ireo ny asa ratsiny.
r.s.