Ny tsy fandriam-pahalemana tokoa ve no mirongatra izay tsy izy ka tsy arak’ireo mpitandro filaminana intsony ? Hany ka tsy miandry izay fitsaràna na manam-pahefana intsony ny vahoaka fa avy hatrany dia manao ny fitsaràny azy manokana. Toy ity nitranga tetsy Antanimena ity ny talata hariva lasa teo. Bandy roalahy avy nanendaka tety Antanimena ambony, akaikin’ny « poste », no azon’ny fokonolona ka ny ain’izy ireo sisa no tsy nanaraka. Araka ny fantatra dia olona niandry taxibe teo amin’ny arrêt no efa notilian’izy roalahy ireto, tovolahy manodidina ny 23-25 taona any ho any, ranjanana sy nofosana soa aman-tsara ! Tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany tany ho any, raikitra ny « sakano, sakano » sy ny antso vonjy nataon’ny olona iray, izay vao avy noendahina roalahy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy nitazam-potsiny ireo olona nahitana fa avy hatrany dia rafitra nanenjika ireto olon-dratsy, nihazo niakatra an’Ankadifotsy iny. Asa raha hoe diso lalana izy ireo, fa mazàna ny lalan’ny mpanendaka avy mahavita ny asa ratsiny, ilay elakelan-trano eo amin’ny Poste, midina mankany Behoririka io. Nanamora ny fisamborana azy ireo ny fanarahany arabe tamin’io fotoana io ka dia noraisim-potsiny. Velona ny daroka sy ny vono isan-karazany. Efa nijininika ny rà. Saika ny ain’izy ireo mihitsy no nanefa, raha tsy tonga avy hatrany teny an-toerana ny mpitandro filaminana, nitondra azy ireo nanala azy tamin’ny hatezeram-bahoaka. Ny fiainana tokoa efa tsy mitsaha-miakatra, mbola manao ny ataony ny tontakely, … efa mihalikiliky ihany koa ny olona etsy an-danin’izay, satria tokoa mantsy dia voasambotra ny eo, manao indray ny hafa, na miverina amin’ny asany taloha ireo afaka tany am-pisaziana, dia toa izany hatrany ! Inona ary no vahaolana …
m.L