- Publicité SW45 -
lundi, octobre 7, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntanimena : Mpanendaka voasambotra, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Antanimena : Mpanendaka voasambotra, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Nahare antsovonjy ny mponina teny Antanimena omaly alina tokony ho tamin’ny 9 ora. Maro no sahy nivoaka ny trano avy hatrany, satria tsy mbola natory. Teny an-dàlana ihany koa, mboloa nisy mpandalo vitsivitsy. Mpanendaka telolahy no nifanenjehana tamin’izay. Tafaporitsaka ny roa fa voasambotra kosa ny iray. Avy hatrany dia niharan’ny daroka teo ity farany ity. Niezaka niaro tena ilay izy ary nifona tamin’ireo olona tonga teo. Hita ho tena efa tezitra sy leon’ny endaka saika isan’andro vaky izao ny olona,ka tsy dia niraharaha izany fifonana izany. Soa fa tonga ny mpitandro filaminana afaka nandamina ny raharaha. Avy hatrany dia nentina tany amin’ny biraoan’ny polisy ity bandy iray tratra ity.

Tamin’io ora voalaza io, nisy olona roalahy nanidy tsena ny alina efa mandroso. Tonga avy any ny bandy telo ary tonga dia namely an’ireo roalahy nanidy tsena. Tsy nanaiky mora fotsiny anefa izy roalahy tamin’ny voalohany fa sahy nifampitana tamin’ireo mpanendaka. Tsy naharesy tosika anefa izy roalahy tamin’ny farany ka dia raikitra ny antso vonjeo. Tamin’izay no nivoaka ny mponina. Marihina fa nisy nahafantatra ilay jiolahy voasambotra. Toa efa zatra manendaka amin’iny faritra iny izy io sy ny namany. Efa indroa no nifanenjehana fa izao vao tratra. Dia io saika novonoin’ny olona io.

Malaza ratsy tokoa iny lalana avy aty Antanimena ho any Ankadifotsy iny. Tsy vao izao no nisy olona voaendaka na saika nendahina fa taona maromaro izay no nisy an’izany. Tsy manavaka ry zalahy fa izay fantany fa misy vola, na be na kely dia asiany avokoa.

r.s.

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser