Raikitra ny fisamborana faobe teo Antanimena ambany. Ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany no nigadona teo ny polisy, teo amin’ny manodidina ny CEG. Nisahotaka ireo mpianatra marobe satria tsy nampoiziny ny zava-niseho. Nosamborina izay nihainohaino teo ary avy hatrany dia nampidirina tao amin’ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana. Miandahy miambavy izy ireo ary nentina tany amin’ny biraon’ny kaomisaria foibe etsy Tsaralalàna. Tao amin’ny sampandraharaha misahana ny heloka izay nataon’ny zaza tsy ampy taona no nohenoina izy ireo. “Koa satria tsy mbola ampy taona ireo olona dia nampanantsoina avokoa ny ray aman-drenin’izy ireo”, raha araka ny fanazavana azo tamin’ny polisy. Nosokafana ny fanadihadiana noho ny fidorohana zava-mahadomelina ary amin’ny talata izao no hiakatra fampanoavana etsy Anosy ny raharaha. Mandra-piandry izany aloha dia nomena alàlana afaka mamonjy fodiana avokoa ireo mpianatra. Ny olona teo amin’ny manodidina izay nanontaniana dia nilaza fa tafaporitsaka ireo tena mpifoka rongony tamin’ny fotoana nitrangan’ny fisamborana. Ireo izay tafajanona teo akaikin’izy ireo no voasambotra. Ity tranga ity dia manamarina hatrany fa tena tandindomin-doza ny mpianatra manoloana ny fiparitahan’ny zavamahadomelina. Tamin’ity indray mitoraka ity izao dia mamon-drongony ireo adolatsento ary nanakan-dàlana teo Antanimena ambany. Ny olona izay sady voavingavinga rehefa niteny no koa saika voadaroka, no nampandre ny polisy. Tsy any amin’ny takotakona akory ireo tanora no midoroka fa eo amoron’arabe ary tamin’ity aza dia eo imason’olona izy ireo no sahy mifoka rongony ary izao nanao hadalàna izao. Mila jeren’ny sampana maromaro akaiky ny tranga toy izao. Eo ny mpiandraikitra ny heloka ataon’ny tsy ampy taona, fa indrindra koa ny sampana miady amin’ny fiparitahan’ny zavamahadomelina. Efa mananika tanteraka ny toeram-pianarana ny rongony ankehitriny…
D.R