Tompon’ny fivarotana ireny karazana basy kilalao voasokajy ao anatin’ny fitaovam-piadiana sokajy fahadimy, ireny no voatery naiditra am-ponja vonjimaika, taorian’ny fanadihadiana nataon’ireo pôlisy avy eo anivon’ny Cybercriminalité. Fantatra mantsy, araka ny nambaran’ny fampitam-baovaon’ny pôlisy fa nahitàna bala tena izy, tao aminy. Ny zoma lasa teo ity farany no nosamborina teny amin’ny tsenany teny Antanimena. Ankoatr’ity dia mbola mivarotra ao amin’ny tambajotra sosialy ihany koa ilay magazay, ary tamin’izay fotoana izay no efa naharahana maso. Irony karazana basy mipoaka sy mandefa bala vita amin’ny « bille » irony ka ilay antsoina hoe « airsoft » no tena mampalaza ity mpivarotra ity. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia hita fa misy bala mitovy amin’ny tena izy, tao anatin’ireo entana namidy. Nisy avy hatrany ny fidinan’ny pôlisy teny an-toerana ary nogiazana ireto entana nampiahiahy ireto, ho amin’ny fitiliana manokana. Voamarin’ny pôlisy siantifika tokoa fa « bala tena izy ireo » hoy ny vaovao. Marihana fa tsy manana taratasy mahakasika ireto ny tompony, ka dia io nosamborina sy nadoboka am-ponja io, ny talata lasa teo. Tsara marihana fa ny lalàna laharana faha-69-011 tamin’ny 22 jolay 1969, mahakasika ny fitaovam-piadiana no mamaritra ireo karazana basy sy fitaovam-piadiana hafa, ankoatry ny zava-maranitra eto amintsika. Mizara sokajy dimy mazava tsara : ny voalohany ireo fitaovam-piadiana fenti-miady, izay an’ny Foloalindahy, ny faharoa : ireo fitaovam-piadiana fiambenana, fahatelo : ny fitaovam-piadiana fenti-mihaza rehetra, ny fahefatra : ny fitaovam-piadiana maranitra, ary ny fahadimy : ireo karazana fitaovam-piadiana kilalao, tranainy sy vakoka, ary ireo tsy ahatahorana handratra sy hamono. Araka ireo fehezen-dalana io hatrany dia tsy azon’ny olon-tsotra atao ny mitazona ireo fitaovam-piadiana ao amin’ny sokajy voalohany. Ny amin’ny sokajy faharoa sy fahatelo kosa dia mila fahazoan-dalana mazava sy taratasy ara-dalàna mahakasika ny fitaovana eny am-pelatanana. Mampigadra enim-bolana ka hatramin’ny dimy taona miampy lamandy ny tsy fanarahana ireo, raha ny voalazan’ireo lalàna io hatrany.
m.L