- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena : Olona voatifitra « big boss », lasa ny « ordinateur...

Antanimena : Olona voatifitra « big boss », lasa ny « ordinateur portable »

Ny « big boss » sy « matraque » dia amidy malalaka eto amintsika, noho izy io voalaza fa fitaovana natao hiarovan-tena. Ny ankamaroany anefa dia saika mitontona eny am-pelan-tanan’ny olon-dratsy izany ary tsy misalasala izy ireo mampiasa ilay izy. Toy ity nitranga teny Antanimena, ny herinandro lasa teo ity. Lehilahy no noendahina andian-jiolahy, izay niaraka tamin’ny « big boss » sy « matraque » ary antsy lava. Lasa tamin’io fotoana io ny solosaina fenti-tanana iray niaraka tamin’ny vola eo amin’ny efatra hetsy ariary teo. « Olona andeha hiakatra ho any Antanimena no narahan’izy ireo, ny sasany manenjika ao aoriana no sady manome toro-marika ny namany, nisy kosa nitsena avy any aloha, ny hafa nitifitra big-boss, ny ambiny kosa nitifitra matraque sy nitifitra totohondry ary nanambana sabatra » hoy ny vaovao. Nandray ny andraikiny avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana avy tao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, ka nisy roa tamin’io mpanendaka no voasambotra. Mbola nahitàna ity karazana fitaovana ampiasain’izy ireo amin’ny asa ratsiny ity moa tany amin’ireto olon-dratsy tra-tehaka ireto. Raha ny fanazavàna azo hatray dia mazàna eny amin’iny faritra 67ha, Behoririka, Antanimena sy ny manodidina iny no tena tokontany hanaovan’ireto andian-jiolahy ireto ny asa ratsiny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici