Narenina tanteraka ny sofiny tamin’ny fotoana nitondràna azy tany amin’ny toeram-pitsaboany. Izany dia vokatry ny filatsahan’ny varatra tetsy Antanimena, tsy lavitra akory izay toerana nialofany. Tsy vitan’izany fa mbola nipitihan’ny vaky fitaratra ihany koa ny lohany ka naratra mafy. Teo Antanimena ihany dia efa notsaboina ary mba avotra soa aman-tsara. Nentina teny amin’ny Hjra nony avy eo, ary satria ny lohany no voa mafy dia nentina tany amin’ny hopitaly manara-penitra mba hitsirihina izay mety ho fahavoazany tany anatiny tany. Nahery ny oram-baratra tamin’ny faran’ny herinandro teo ary nahafaty olona aza izany. Isan’ny matetika miteraka olana ny tsy fanaovan’ny olona kiraro na kapa rehefa avy ny orana. Rehefa mahazo ny tany anefa ny varatra dia mitondra ny herinaratra amin’izay mikasika aminy. Dikany, ilaina hatrany ny “isolant” na koa izay mety tsy hifandraisana mivantana amin’ny tany mba hialàna amin’izay mety ho voka-dratsin’ny varatra. Raha ny faran’ny heriandro teo fotsiny dia olona telo no namoy ny ainy vokatry ny antony tsy mifanalavitra loatra amin’izany.
D.R