Izay kodiaran-droa nandalo dia nisosa avokoa ary sahirana vao tafarina. Ny antony dia nisy fiara izay nirararaka “gasoil” teo amin’ny arabe ary tsy nijanona. Ireo moto izay nandalo tamin’ny làlana, indrindra tsy nahafantatra fa dia nianjera avokoa izay nanitsaka izany. Saika niteraka lozam-pifamoivoizana nahatsiravina izany raha tsy mba nandray nandraikitra avy hatrany ny olona iray izay isan’ny nianjera ka nitsangana teo amin’ny arabe ary nampitandrina haingana izay moto nandalo. Loza manambana tanteraka ho an’ny mpampiasa làlana, indrindra ho an’ny kodiaran-droa, ny fisian’ny menana ka solika eny amin’ny arabe. Toa vitsy ihany anefa ny mpamily mba tonga saina ka maka sisin’ny arabe avy hatrany ary manamboatra ny simba raha toa mitranga ny toa izany. Any ivelany dia tena saziana mafy ny mpamily tsy tompon’andraikitra toa izany satria ny ain’olona no voakasiky ny fiara simba mbola entiny ihany. Voasazy rehefatsy tomombana ny fiara satria any amin’izy ireo dia tena mafy ny fitsirihina ara-teknika mba hahazoan’ny fiara mivezivezy. Mbola ezaka lehibe arak’izany ny fiarovana ny ain’ny mpampiasa làlana ary mbola mifandray amin’ny ady amin’ny kolikoly koa izany. Raha mbola afaka mivezivezy hatrany ny fiara efa tsy izy intsony dia hisy fiantraikany any amin’ny mpampiasa làlana izany.
D.R