Omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora sy fahefany teo no nitrangan’ity loza ity , teny amin’iny faritra Antanimena iny. Araka ny loharanom-baovao voaray dia taxi brousse no nirehitra teny . Kila tanteraka moa ity fiara ity ka tsy avotra intsony. Araka ny vaovao voaray dia ny hafanana diso tafahoatra teo amin’ny fiara no niteraka ny loza , teo ihany koa ny nanambara fa « court circuit « no nahatonga ity loza ity. Fantatra fa efa tsy nitondra mpandeha intsony ity taxi brousse ity , izay avy natao fizahana. Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso dia resin-tory ny mpamily sy mpanampin’ity fiara ity , ka tsy nahatsikaritra ny loza. Setroka be niaraka tamin’ny lelafo no nahataitra azy ireo , ka izay vao nikoropaka namono ny afo. Tsy nisy naratra kosa izay ireo. Saika tsy voavono intsony moa ity afo raha tsy nifandrimbona nanampy an’ireto mpalily sy mpanampy avokoa ireo olona rehetra izay nahita. Tsy nahafaty ny afo kosa raha ny fanondrahana rano fa vao mainka nampidedaka azy . Nisy ny olona nahita no mba nanan-kevitra ny hoe vovoka no mahafaty ny afo , ka izay vao samy nanimpy vovoka an’ity fiara daholo ny olona. Lefy ihany moa ny afo izay nidedaka nony farany , saingy efa betsaka ny fahavoazana nisy teo amin’ny tompony, noho ny fiara tena kila tanteraka sy tsy azo hiasana intsony.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)



