Omaly alina tokony ho tany amin’ny 9 ora tany ho any, fipoahana mafy be no ren’ny olona teny amin’ny faritra Antanimena. Rehefa nojerena dia tao amin’ny tranona depiote avy any Beroroha no niseho ity loza ity. Araka ny resaka re teny an-toerana avy amin’ireo olona toa amin’ilay trano nisy ny fipoahana dia mbola teo am-pisakafoanana ry zareo no nahare zavatra nipoaka mafy dia mafy. Olona folo izy ireo no tao, ka zaza ny roa. Ny zavatra nataony dia nivoaka haingana. Avy hatrany mantsy dia nisy afo niredareda be nivoaka. Tao amin’ny rihana faharoa no nisehoan’ny loza. Efitra izay tsy misy mipetraka fa fametrahana entana fotsiny ihany. Noheverina fa tavoahangina gaz io nipoaka io. Hentitra anefa ry zareo niteny fa any ambany rihana no misy ny lakozia misy izany. Araka izany, tsy fantatra mihitsy io zavatra nirefotra mafy io izay nanaitra ny manodidina. Ilay olom-boafidy moa tsy eto an-toerana fa any amin’ny faritra. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra tamin’ity loza ity.
r.s.