- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimora Atsimo : Dokotera nandeha moto maty novonoin’ny dahalo

Antanimora Atsimo : Dokotera nandeha moto maty novonoin’ny dahalo

Tsy mbola miova fo ny dahalo any amin’ny distrikan’ Ambovombe Androy, fa vao mainka manjeky amin’izao. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia mpitsabo iray nandeha moto no maty tsy tradrano novonoin’ny dahalo tamin’ny fomba feno habibiana teny an-dalana, ny fiandohan’ity herinandro ity, tao Ampamata, kaominina Antanimora Atsimo. Noho ny firongatry ny asan-dahalo indray tato ho ato mahazo laka amina kaominina maromaro any amin’ny distrikan’ Ambovombe Androy, indrindra ny manamorona ny RN13, dia miaina ao anaty horohoro tanteraka ny vahoaka.
Manampy trotraka izany ny fihetsik’ireo mpitandro filaminana sasany tia vola diso tafahoatra miray tendro amin’ny olon-dratsy. Tsy miaro ny vahoaka sy ny fananany intsony ireto ampahana bebaoty tsy maty voalavo an-kibo ireto fa mambotry ny mpiara-belona aminy, ka hanairana ny sain’ny mpitondra, hoy ny solontenan’ireo mponina ao Antanimora nitafa taminay. Nambaran’ny ray aman-dreny iray mpitan-kazomanga (to teny) fa vitsy amin’ireo lazaina fa Dahalo Niova Fo ihany no tena malaso, fa olona nitsoa-ponenana ka niala lavitra ny tanàna misy azy ireo.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser