- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimora : Entina amin’ny fiara fitateram-bahoaka ny voafonja

Antanimora : Entina amin’ny fiara fitateram-bahoaka ny voafonja

Lehilahy iray mifatotra rojo vy no tazana nandeha fitateram-bahoaka afakomaly. Tokony ho tamin’ny mitatao vovonana dia nisy olona telo niditra tao anatina fiara  mampitohy an’ny 67 ha sy Ankatso teo amin’ ny toeram-piantsonana Anosy akaikin’ny fitsarana. Toy ireo mpandeha rehetra tao anaty fiara dia mandoa saran-dàlana izy ireo, ilay miaraka amin’ny rojo vy sy lehilahy roa izay heverina fa mpanara-dia azy. Gaga sady natahoatra avokoa ireo mpandeha tao anaty fiara nahita izany. Ity tovolahy ity izay sady menamaso no feno ratra teo amin’ny tarehiny. Nisy mpandeha iray nampiaka-peo mihitsy ny amin’ny zon’olombelona. Tsy misy fanajana izany intsony fa samy manao izay tiany ny rehetra hoy ny nambarany. Rehefa nanotaniany ilay mpamily dia nilaza fa tsy vao izao no misy ny tranga toy ity. Sarotra ho azy ireo ny tsy handray azy ireny, tsy afaka mihitsy ny hisafidy izay olona tianay handeha aminay izahay hoy ny nambarany. Efa misy mpiaro manokana hatrany miaraka amin’izy ireny ka tsy tokony hisy hatahorana. Tranga mateti-piseho ihany koa ny fanafarana fiara manokana avy ao amin’ny kaoperativa hiasan’izy ireo hitatitra gadra avy ao Antanimora ho entina hotsaraina eny Anosy. Mipetraka ary ny fanontaniana hoe lasa aiza daholo ireo fiara natokana hitaterana azy ireny.

Kanto R. (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici