Alahady tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro. Nisy voafonja iray izay nikasa ny hitsoaka an’Antanimora. Efa teo am-pianihana tamboho izy no raikitra ny antso fanairana. Tsy lasa lavitra dia voasambotra ilay lehilahy. Nikorontana ny voafonja raha nahatsikaritra izany. “Fotoana fohy taorian’izay anefa dia niverina tamin’ny laoniny ny filaminan’ny fonja, indrindra rehefa voasambotry ny mpandraharaha ny fonja ilay lehilahy”, raha araka ny fizaram-baovaon’ny minisiteran’ny fitsaràna. Rehefa nohamarinina ny mahakasika ilay lehilahy dia efa fantatra fa efa nitsoaka teny anivon’ny polisy koa izy nandritry ny fanadihadiana savaranonando azy tamin’izany fotoana. Ny heloka anefa dia heloka tsotra no nataony. Raha araka ny fanampim-panazavana aza dia halatra tsotra no antony nampidoboka am-ponja azy. Izao izany dia miampy ny heloka ary ho mafimafy kokoa ny miandry azy noho io fikasàna hitsoaka ny fonja io izay mety hivadika heloka bevava izany. Vitsy ihany ny olona sahy mandositra ny fonja izany noho ny fahafantarana fa hitombo ny heloka raha sanatria ka tsy mahomby izany. Mangin’izany koa, tsy maintsy hatao savahao raha mahomby izany ary hataon’ny mpitandro ny filaminana laharam-pahamehana ny fisamborana azy. Nisy tranga aza dia nirodana noho ny andro ratsy ny fonja, toa izay nitranga tany Toliara tamin’ny volana martsa teo, saingy tsy nisy nitsoaka ny voafonja fa niandry fotsiny teo. Amin’ny lafiny iray dia toa mendrika fanenan-tsazy ihany izany fitondran-tena izany satria nandray ny andraikitra ny gadra dia ny tsy fitsoahana izany.
D.R