- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimora : Lehilahy niboridana, voalaza fa adala nosamborina

Antanimora : Lehilahy niboridana, voalaza fa adala nosamborina

Hafahafa ! Lehilahy manodidina ny 40 taona any ho any, no voatery nosamborina teny amin’iny faritra Antanimora iny, ny zoma tolakandro teo. Nasiana rojo vy ny tànany ary natosika ho any amin’ny biraon’ireo mpitandro filaminana izy. Ny mahagaga sy mahazenda an’ireo nanatri-maso teny an-toerana, dia niboridana sa naboridana tanteraka ity lehilahy ity. Tanteraka mihitsy, satria na dia tako-kenatra aza tsy hita teny aminy. Raha ny fanazavana azo, dia toa hoe marary saina izy ireo, ka izay no antony nahatonga azy niboridana toa io. Hatreto anefa dia tsy fantatra mazava hoe inona no antony nisamborana azy. Misy ny hoe nanelingelina ny fifamoivoizana teny an-toerana izy ireo ka tsy maintsy nandraisana fepetra. Loharanom-baovao indray no nilaza fa lehilahy tratra nangalatra ka nosamborin’ny fokonolona ary nentina, teny amin’ny biraon’ny pôlisy. Notazonina any moa ity farany ary efa manao ny fanadihadiana ireo mpitandro  filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici