- Publicité SW45 -
lundi, septembre 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntanimora : Mpanao “kidnapping” telolahy maty voatifitry ny zandary

Antanimora : Mpanao “kidnapping” telolahy maty voatifitry ny zandary

JIOLAHYEfa narahan’ny zandary hatrany Tsaralalàna ireto olon-dratsy ireto.

Raikitra ny fifampitifirana tetsy Antanimora, amin’ny làlana miakatra ho any  Ambohitrakely iny ny harivan’ny asabotsy teo. Naharitra ora maromaro izany, vokany jiolahy telo, izay voalaza fa mpanao “kidnapping” no maty voatifitry ny zandary, telo hafa kosa tafatsoaka.

Efa ela no nahazo vaovao ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny “Groupement Anlamanga sy ny Compagnie Tana-Ville”, ka dia nanaramaso ireto andian-jiolahy ireto. Tamin’io asabotsy io, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva,saika haka an-keriny teratany karana iray ireto jiolahy ireto, izay misy ny mitaingina moto, ary misy ny mandeha fiara. Nitondra vola tamin’ny baoritra io karana io ary narahan’izy ireo tetsy Tsaralalàna, teo amin’ny Hotel Anjary sy Cocentral. Nisy zandary nanao fanamiana sivily nanaraka ny fihetsik’ireo jiolahy, saingy tsikaritr’ireo  olon-dratsy ka nobahanany tamin’ny moto. Fotoana fohy taorian’izay dia fantatra fa hanao fivoriana vonjimaika tao amina trano iray tetsy Ambohitrakely ireo jiolahy ka nidina teny ny zandary. Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireto mpaka an-keriny ireto dia nitifitra avy hatrany. Raikitra teo amin’izay ny fifampitifirana, teo ambanin’ny La Gastro Pizza. Jiolahy telo no maty tamin’izany. Ny iray teo ambonin’ilay moto bol d’or, ny iray ilay nitondra  Peugeot 405,izay nentin’izy ireo, ary ny iray kosa tety ivelany. Ny sasany tamin’ireo jiolahy kosa tafatsoaka, tamina fiara P.405 iray hafa.

Nahitana basy “revolver” iray sy bala telo tany amin’ny iray tamin’ireo jiolahy. Rehefa nosavaina ihany koa ny fiara nentin’izy ireo dia nahitana “kalachnikov” iray sy “boîte chargeur” roa. Araka ny fanadihadiana natao dia olona mahafantatra tsara an’io karana saika halaina an-keriny io ny iray tamin’ireto jiolahy ireto ary io no isan’ny mpanome vavao ny namany. Mbola mitohy moa ny fikarohana ireo sasany tafatsoaka amin’izao fotoana izao ary ny “Compagnie Tana Ville” no mandray an-tànana izany.

A.R.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser