Ny voalohany vehivavy mpanefoefo ary nidoboka am-ponja noho ny raharaha marobe momba ny fanodikodinana tsanam-barom-panjakana. Ny faharoa migadra mandram-pahafaty noho ny fanaovana kidnapping izay nahafaty olona. Natahorana tanteraka ny fikambanan’izy roa ireo ao Antanimora ary voatery nandraisana fepetra. Nandeha ny feo fa mitarika ny vehivavy mifonja ao mba hitokona i Stéphanie. Raha mifandray ny tadin-dokanga aminy sy Claudine dia mety hovatsian’ito farany vola ny hetsika ary dia tsy fantatra izay mety hitranga ao am-ponja. Nisy feo hafa nandeha koa anefa fa nifandona izy roa tao am-ponja. Izany rehetra izany no heverina fa nandraisan’ny minisiteran’ny fitsaràna fepetra avy hatrany amin’ny fampisarahan-toerana ireo voafonja roa ireo ary ny minisitry ny fitsaràna mihitsy no nanazava ilay fanapahan-kevitra noraisina. Nahatalanjona ny maro ihany izany satria amin’ny lafiny iray dia miendrika fitanilàna ny fijerin’ny olona azy. Koa satria mpanefoefo ny iray izany dia nomena toerana manokana, raha ny fanazavan’ny olon-tsotra izay naheno ny vaovao. Amin’ny lafiny iray anefa dia adidin’ny fonja koa ny miaro ny ain’olona ary mandray fepetra mifandraika amin’izany rehefa misy hatahorana hamono. Ankoatr’izay dia azo mbola adidin’ny fonja koa ny mandrindra ny filaminana ao anatiny ary rehefa misy ny angom-baovao mety hatahorana hanakorontana dia azo noraisina tanteraka ny fepetra. Hahitàna karazan’olona any amin’ny fonja ary matetika aza dia betsaka ny mahazo traikefa hafa rehefa mivoaka tao.
D.R