Efa tsy misy tahotra intsony ireo jiolahy mpamaky trano, eny fa na dia toerana eo ambany mason’ny mpitandro filaminana aza. Fanaovam-bolo iray sady mpivarotra no nisy namaky, omaly vao maraim-be tokony ho tany amin’ny 3 ora tany ho any. Araka ny hita teny an-toerana dia nopoirina tamin’ny « bar à mine » ilay varavaram-by, ary noezahina navalona mihitsy ilay takela-by nahafahan’ireo olon-dratsy nitsofoka tao. Raha ny voalazan’ny mpiambina tao amin’ity toerana ity dia ankevitry ny nanam-potoana mihitsy ireo mpamaky trano, satria dia ireo entana lafo vidy no nentin’izy ireo. Isan’izany ny pataloa sy T-shirt iray sakaosy, miteti-bidy any amin’ny efatra hetsy ariary ny vidin’ny iray, ny famataran’ora lafovidy maromaro. Ambon’ireo ny kojakoja elektronika fanaovana volo sy ireo fitaovana ao an-tokantrano, toy ny fahitalavitra « ecran plat » sy radio. Fantatra fa nisy mpitandro filaminana nanao fisafoana tokony ho tamin’ny 2 ora maraina, fa mbola tsy vaky io toerana io. Ny fisafoana nataon’izy ireo, tokony ho tamin’ny 4 ora tany ho any no nahitana ilay fivarotana vaky, ary nantsoina avy hatrany ny tompon’entana. Hatreto aloha dia tsy fantatra mazava izay tompon’antoka. Mbola eo am-pikarohana ireo mpamaky trano ny mpitandro filaminana, miaraka amin’ny alika mpitsongo dia.
m.L