Niletaka tanteraka ilay fiara mpitondra entana 3CV. Ny antony dia tsy zakany intsony ny entana nentiny. Kojakoja karazany maro izay avy novidiana tamin’ny varotra ambongadiny ka hotaterina eny amin’ny tompony. Tsy afa-nihetsika intsony ilay fiara omaly maraina ka ny vokatr’izany tapaka hatramin’ny làlana teo Antaninandro. Ahoana ny fomba ahazoan’ny fiara toa izao « visite technique » ? Aiza ho aiza ny fanaraha-mason’ny mpitandro ny filaminana misahana ny fifamoivoizana ? Efa ela ny fanontaniana toa izany no nipetraka…
D.R