Olona ambony nendahin’ny pelaka, lasa ny vola tao anaty « porte-feuille ». Nanjavona ihany koa ny karatra fangalàna solika sy ny karatry ny fiasana. Izay ny nanjo ilay olona ambony izay nendahin’ny pelaka teny Antaninarenina ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Tsy fantatra mazava kosa izay anton-diany teny an-toerana. Izy efa voaendaka vao samy nametra-panontaniana tany an-tsaina ny maro, indrindra ny mpitandro ny filaminana izay tonga teny an-toerana, ka niezaka nisafo ny manodidina mba hahitana ilay mpangalatra. Mandeha ny fikarohana an’ilay pelaka ankehitriny…
D.R