Tovolahy maromaro, mibaby kitapo sy samy manao kapa kiranila, … miisa eo amin’ny 20 mahery teo no niara-nirodorodo sy nihaodihaody teny amin’iny faritra Antaninarenina iny omaly, tokony ho tany amin’ny 10 ora sy sasany tany ho any. Hafa raha samy hafa tokoa ny fihetsik’izy ireo, ary nambaran’ireo nahita azy ireto, fa miresaka izy ireo fa tsy misy hay izay teneniny. Asa fanakorontana indray ve sa dahalo niakatra « ville » ? Tsy fantatra intsony aloha fa toa nampisahotaka sy nampitahotra ny mponina ny fihetsik’izy ireo, izay manao be fiavy, teny amin’ireo faritra nandalovany, nihazo an’Antsahavola sy Isoraka iny. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana, ny mikasika ireto andian’olona mampiahiahy ireto. Izay nandray ny andraikiny sy nanao ny fisafoana tamin’ny alalan’ireo fiara tsy mataho-dalana. Nivezivezy teny amin’ireo faritra rehetra voatondron’ny olona ho nahitana azy ireo. Saingy nahagaga sy nahazendana fa dia vetivety dia nanjavona ireto andiana tovolahy ireto. Angamba mety ho nihazo ireo elakelan-trano isan-karazany teny an-toerana. Na dia tsy hita aza izay misy ireo olona voalaza ireo dia tsy manamaivana velively izany ireo mpitandro filaminana fa mitohy hanamafy izany fandriam-pahalemana izany, raha ny fanazavana azo hatrany. Mipetraka ny fanontaniana, izy ireto olona manao andiany ireto, ary saika hanao sa mivonona hanao inona ? Azo heverina mantsy hoe, mety fampisehoana fotsiny na “carnaval”. Saingy eo anatrehan’izao tsy fisian’ny fandriampahalemana, mihamanjaka eto an-drenivohitra izao : ny afitsok’ireo mpanendaka etsy ankilany, ny fanafihan-jiolahy etsy adaniny, … toa zary mandry tsy lavo loha ireo mponina, hany ka raha vao mahita tranga iray, tsy dia fahita sy mampiahiahy dia efa raiki-tahotra.
m.L