Tsy tontosa ilay asa ratsy noho ny fahamailoan’ny tompon-trano izay niantso faran’izay haingana ny pôlisy eo amin’ny boriborintany voalohany, Analakely. Enin-dahy nanao saron-tava ary nitondra fitaovam-piadiana no tonga nanafika ilay tokantrano, raha araka ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana. Nopoirin’ireo tamin’ny baramina ny varavarana ary efa an-dàlan’ny hiditra tao anatiny izy ireo no tonga ny pôlisy. Rifatra nitsoaka ireo jiolahy ary mbola nifanenjehana tany anaty elakelan-trano tany aza. Heverina izany fa raha tsy nanana ny laharan’ny komisaria nisy azy ity tokantrano ity dia voatafika mora foana. Manana 4X4 rahateo ny pôlisin’ny boriborintany voalohany ka poa toa izay dia tonga nanao ny asany. An-kavitsiana ny fanafihana mitam-piadiana eny amin’iny toerana iny raha mateti-pitranga kosa ny asa fanendahana. Ireo vazaha mody alina no tena matetika lasibatra saingy efa miha-mailo izy ireo hatramin’ny nisian’ilay diplaomaty voatsindrona antsy teny. Miverimberina rahateo ny hetsika ataon’ny pôlisy eny an-toerana hany ka lasa mihena ny asaratsy madinidinika. Ankoatra ny asan’ny mpitandro ny filaminana dia mbola misy koa ireo mpiambina sivily eny amin’ny faritra iny miezaka manampy amin’ny fisamborana mpanendaka. Saingy indraindray tafahoatra ny hetsik’izy ireo satria toa efa mieritreritra ny tenany ho mpitandro ny filaminana ary miditra any anaty toeram-pilanonana ary sahy ny mikitika olon-tsotra…
D.R