Lehilahy iray manodidina ny 35 taona teo ho eo, no hitan’ny olona nitsirara teo an-tsisin’arabe, nihosin-drà, omaly maraina, teny Antaninarenina. Nikoropaka avy hatrany ny olona izay nahita io maraina io, niantso ny tompon’andraikitra. Indrisy anefa fa efa vatana mangatsiaka ny an’ity rangahy ity sisa. Araka ny filazan’ireo teny an-toerana, dia karazan’ireny olona mpitondra entana na « docker » ireny ity rangahy ity. Tsy fantatra mazava na inona loatra no antony nampihoson-drà azy raha ny loharanom-baovao hatrany. Ankevitry ny nisy namono angamba izy io. Mbola tazana teo akaikiny teo ihany koa ny entan-keliny, raha ny voalaza hatrany. Fantatra, araka ny nambaran’ireo mponina teny an-toerana hatrany fa tsy lavitra io toerana nahafatesana io ny trano fonenany, izay misy ny ray aman-dreniny ihany koa. Voalazan’ireo farany fa tsy mpandao tokantrano izany izy fa mody foana. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, dia tsy nody tao izy ny afak’omaly alina, ary dia io hita faty io ny ampitso maraina. Efa nalaina teny ny razana ary nentina tany amin’ny tranompaty, talohan’ny nanomezana azy ny fianakaviany.
m.L