Lehilahy madio sy mihaja. Nandeha scooter mainty. Izay no tadidin’ilay ramatoa iray ho nanendaka azy tetsy Antaninarenina ny sabotsy teo. Amin’ny andro antoandro, manodidina ny amin’ny 11 ora, izany no niseho ary mbola feno olona nifanaretsaka teo an-toerana. Lasa ny paoketra izay nisy ny rehetra teny amin’ilay madama ary raha mbola tankina tamin’ny nanjo azy io farany, ny kodiaran-droa kosa efa lasa nandositra. Tsy nisy azo natao ankoatra ny nitsetsetra teo fotsiny. Ny olona koa tsy nisy nanenjika na nanakana fa samy nanoro hevitra fotsiny izay vao mainka nanaboda ny lohan’ny voaendaka. Kartie manana ny maha-izy azy Antaninarenina satria sady misy lapam-panjakana no feno biraom-panjakana. Mbola misy banky maro koa ankoatra ny toeram-pivarotana samihafa. Sady misy mpitandro ny filaminana no mpiambina sivily ny ankamaroan’ireo toerana ireo. Izany hoe isan’ny mba mampilamin-tsaina raha ivezivezena eto an-drenivohitra. Izao anefa dia efa tongan’ny olon-dratsy ihany koa.
D.R