Mpianatra serasera, ao amin’ny taona fahatelo, eo anivon’ny oniversite tsy miankina eo Antaninarenina I K.,22 taona. Raha handeha hamonjy ny toeram-pianarana izy omaly, tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro, no nisy fiara tsy mataho-dàlana, ary mainty ny fitaratra, nijanona tampoka teo akaikiny. Teo akaikin’ny toeram-pijerevana sarimihetsika Roxy iny no hitako ilay fiara izay nijanona ary tena teo akaikiko mihitsy, raha araka ny fanazavan’I K. “Tsy tapitapitr’izay dia nivoaka ny lehilahy tao anatiny ary nanery ahy ny hiditra ao anatiny. Tsy afa-nanohitra aho satria vatan-dehilahy vaventy no sady mihaja be toa ireny mpiambina olona ambony ireny, raha ny tombatombako” hoy hatrany i K. Nizotra nankany Antaninarenina nony avy eo ny lalan’ilay fiara. Nisy fitohanana teo ka izay no nanararaotan’ilay tovovavy nanao izay faraheriny namoha ny varavaran’ny fiara, dia nisaoty. Avotra soa aman-tsara izy ary tsy sahy nanaraka azy koa ireo vatan-dehilahy naka an-keriny azy. Ny indro kely dia tsy nahafantatra intsony ankoatra ny nanavotra ny ainy i K. Tsy nahavita nampandre ny mpitandro ny filaminana intsony noho ny tahotra izay nibahana loatra tao an-tsainy. Inona no tanjon’ireto olona naka an-keriny azy? Amin’izay indray tsy misy tahotra mihitsy ny fanatontosana an’izany, eo am-povoan’Antananarivo, sady amin’ny andro antoandro. Heverina fa hametraka fitorana anio ity tovavavy ity mba hahafahan’ny mpanao fanadihadiana mamantatra ny manodidina ity raharaha fakàna an-keriny ity. Mety hihatra amin’ny tovovavy hafa mantsy izy nanjo azay raha sanatria ka avela fotsiny amin’izao ny raharaha.
D.R