- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntaninarenina : Nohidin’ny pôlisy kaominaly , ny fiara maromaro

Antaninarenina : Nohidin’ny pôlisy kaominaly , ny fiara maromaro

Isan’ireo fiara nohidina omaly (sary FB)

Ireo fiara nipetraka an-tsisin-dàlana no nasiana hidiny ny kodiarana ary tsy afaka nihetsika intsony. Omaly maraina no nanao izany ny pôlisy kaominaly ary teny amin’ny manodidina an’Antaninarenina no nanatontosany an’izany. Talanjona ny tompon’ny fiara raha nahita ny zava-misy, satria mbola tsy niainana teto Andrenivohitra ny toe-javatra toy izany. Miteraka adihevitra roa karazany hatrany ny zava-misy. Ao ny midera ny ezak’ireo mpitandro ny filaminan’ny kaominina satria be loatra ny tsy manara-dalàna amin’ny fifamoivoizana sy ny fametrahana fiara eto amintsika. Ao koa anefa ny mahita, fa tsy tokony hasiana fanavahana rehefa hampiharina ny lalàna ary atao mandavan-taona. Saingy alohan’izany rehetra izany dia mba hasiana fotodrafitrasa mifanaraka amin’izany, toa ny famoronana « parking » vaovao.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici