Ny fahorian’ireo mpitondra fiara amin’ny fitohanana tokoa, lasa fifalian’ireo olon-dratsy mpanendaka sy mpanararaotra … raha avadika kely ilay fomba fiteny ! Tato ho ato tokoa izay, hita miharihary toy ny vay an-kandrina ny firongatr’ireo olon-dratsy eny amin’ireo fitohanana, mameno ny araben’Antananarivo ireny. Saika ireo tompona fiara tsara tarehy sy manao tandrevaka tsy manidy ny fiarany, na zatra milalao zavatra sarobidy eny an-tànana aloha izao no lasibatra, eny fa na dia misy ihany aza ireo sendra ny tsy ampoizina eny ambony fiara fitanteram-bahoaka eny. Teny Antaninarenina, ny alarobia hariva lasa teo ; avy hatrany dia niditra an-keriny tao amin’ity fiara raitra ny iray tamin’ireo sarimbavy mpijorojoro teny an-toerana. Tampoka teo anefa, nivoaka moramora sady nifompona ity sarimbavy ity. Raha ny filazan’ireo olona eny amin’iny faritra iny, dia misy amin’izy ireo no manararaotra ny varavaran’ireo fiara tsy mihidy, ka miditra amboletra. Mandrahona ilay mpamily izy amin’izay fotoana izay, ka raha tsy manome vola dia hiantsona vonjy sy alaina baraka hoe tsy nahaloa vola. Fantatra teny an-toerana ihany fa efa maromaro ihany no tratran’izany. Ary manao andiany maro mihitsy ireto olon-dratsy amin’io asa ratsiny io. Fa mbola resaka sinto-mahery mahazo ireo olona eny ambony fiara hatrany, mpianatra iray nandeha taxi-be no very finday teny Ambanidia, ny faran’ny herinandro teo. Toy ny mahazatra azy ireo dia manararaotra ny fitohanana eny amin’ity toerana ity ny tovolahy iray, ary angamba efa voatiliny ela ity olona very entana ity. Sendra ny vintana nitsiky anefa ity mpianatra ity fa nifanehitra taminy ilay tovolahy nanendaka azy teny Ambatoroka. Noraisin’ny mpitandro filaminana fotsiny tamin’izany ity mpanendaka ity ary nilaza tamin’ny fanadihadiana natao azy fa, efa zava-panaony ny manendaka eny amin’iny faritra Ambanidia miaraka amin’ireo namany hafa.
m.L