- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAntaninarenina : Voasambotra ireo roalahy milaza ho manana « produit » fampitomboana...

Antaninarenina : Voasambotra ireo roalahy milaza ho manana « produit » fampitomboana vola

Izany tokoa ny hoe tsy mety afa-po amin’izay ananany ny olona. Lehilahy miisa roa milaza fa afaka mampitombo vola amin’ny alalan’ny fampiasana « produit » no voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika faha-3 (BC3) ny 22 janoary lasa teo tokony ho tamin’ny 1à ora sy 30 minitra. Izany dia vokatry ny fitoriana napetraky ny olona iray nitaraina fa very vola an-tapitrisany noho ny nataon’ireo voalaza fa jiolahy. Ireto farany izay nampiasa vehivavy iray izay nojonoiny ihany namitahana ity mpitory ity. Ny 5 janoary 2022 no nifanehitra tamin’izy ireo io vehivavy io. Nilaza tamin’ity farany izzy ireo fa mahay mapitombo vola. Niroso tamin’ny fanandramana izy ireo ka nasaina nividy valopy kely fotsifotsy miisa 5 ilay ramatoa. Nohetezana natao nitovy tamin’ny vola 10.000Ar ny valopy efatra ary natsofoka ao anatin’ilay valopy fahadimy no sady tifirina amin’ilay « produit » mitenti-bidy 10.000.000Ar no nolazaina fa mampiova azy. Resy lahatra ilay vehivavy ary nilaza ny hitady mpanambola. Nihita mpivarotra mpampongady manambola tokoa ilay Ramatoa ka niantso ireo roa lahy milaza ho mahay zavatra. Tapa-kevitra ilay mpanambola fa hividy ny « produit » ahafahana manao vola maromaro. Nasaina nentina ny vola 10.000.000Ar ary nifanao fotoana teny Antaninarenina satria alaina ao amin’ny tresor ilay « produit » hoy ireto mpisoloky. Rehefa natao ny fanandramana hafa dia 200.000Ar no nivoaka tamin’izay fotoana izay. Resy lahatra ihany tokoa ilay mpanambola ary nitondra nody ilay « produit » izay natao tao anaty « bocal » miisa roa, ka noeritreretina ahatafavoahana vola 30.000.000Ar. Noho ny tonga tany an-trano dia nahatsikaritra izy fa tsy nisy zavatra tao amin’ilay bocal faharoa. Niantso ireo mpisoloky izy ary nilaza ireo farany fa hiezaka hijery « produit » indray. Afaka fotoana fohy dia nilaza izy ireo fa tsy misy intsony ilay 5.000.000Ar fa tsy maintsy 10.000.000Ar ihany. Nanaiky ilay lehilahy ka nitondra vola 10.000.000Ar hafa indray. Rehefa azo ilay zavatra novidiana dia niara-nandeha taxi. Tamin’izay anefa no nisy nitonona fa Polisy nanakana azy ireo sy nisavasava ny entana tao anaty fiara ary nanadihady ihany koa. Nibitsika ilay mpanambola ireo mpisoloky roalahy ny mba handosirany haingana sao sanatria tratran’ny Polisy, fa izy ireo kosa hiezaka ny andamina izany. Nanomboka teo dia tsy hita intsony izy roalahy. Fantatra fa efa nahatratra 30.000.000Ar ny vola lasan’izy ireo amin’ny resaka fisolokiana toy izany. Natolotra ny Fampanoavana omaly 26 janoary 2022 ny raharaha ka andrasana izay ho tohiny.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici