- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntaninarivokely-Maevatanàna : Mitroatra ny vahoaka, mitaky ny fialàn’ny sefo fokontany

Antaninarivokely-Maevatanàna : Mitroatra ny vahoaka, mitaky ny fialàn’ny sefo fokontany

Manomboka mitroatra ireo vahoaka miisa 456 ao amin’ny fokontany Antaninarivokely, kaominin’Antsiafabositra, ato anatin’ny  disitrakan’i Maevatanàna, voalaza fa iharan’ny antsojay. Mitaraina moa ireo olona fa iharan’ny fampihorohoroana ataon’ny sefom-pokontany, satria tsy manaiky ny teneny sy ny fanapahan-kevitra raisiny eo amin’ny fokontany ny mponina. Raha ny filazan’ny mponina tafaresaka taminay, dia terena hanome vola ho azy tsy amin’ny antony izy ireo. Nilaza ireo fa tsy misy fifampiresahana na famoriam-bahoaka tamin’ izy  ireo, avy hatrany dia resaka fitakiana vola roa alina ariary isaky ny olona feno 18 taona no ho miakatra. Rehefa tsy mety hanome ny vola anefa dia anaovany antsonjay, araka ny filazan’ireto hatrany. Efa an-taonany maro no helingelenana amin’ny zavatra toy izao izahay, ka rehefa tsy manaraka ny baikony dia mihatra avy hatrany ny lalàna, tsy mahazo miasa eny an-tsaha izy ireo. Ireto farany anefa tsy hanaiky hatramin’ny farany. Efa mandeha ny fanagonan-tsonia ataon’ny fokonolona rehetra hanalana io filoham-pokontany tsy mahay mitantana io. Manoloana ny tsy fahaiz-amanaon’ny filoham-pokontany ihany koa dia manao antso amin’ny tompon’adraikitra mahefa ambony izy ireo amin’ny tsy fisian’ny hopitaly sy famatsian-drano any an-toerana. Raha ny vaovao voaranay hatrany dia efa nampandalovina teo amin’ny ( OMC Betsiboka,) ny taratasy mikasika ny olana any an-toerana. Ho hita eo moa no mety ho tohin’ny raharaha.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici