- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntatezana Afovony : Lehilahy mamon-drongony nanolana tovovavy 14 taona

Antatezana Afovony : Lehilahy mamon-drongony nanolana tovovavy 14 taona

Lehilahy iray sahabo 30 taona, nisara-bady, manan-janaka roa, mpanao karama an-tselika, no saika matin’ny hatezeram-bahoaka (naratran’ny daroka), omaly antoandro tokony ho tamin’ny 12 ora sy 30 minitra, tetsy Antetezana Afovoany. Tovovavy mpantsaka rano 14 taona no naolany, kanefa teo am-panatanterahany ny filan-dratsiny izy no tafaporitsaka tampoka rakalakely ka niantso vonjy. Poa toa izany dia vory ny olona teo amin’ny manodidina, izay samy nanala ny fony. Raha nisy kely ny hatezeran’olona dia saika nanaraka hatramin’ny ain-dehibeny.

Notambazany Ar 2 000. Rehefa nofotorana “Rasta”, izay ny fiantsohan’ny olona azy, nody adala ary nilaza fa ilay  ankizivavy no nisarozoro nanaiky niaraka taminy, satria “ foza orana hono ”, ka nety niray taminy rehefa notambazany roa arivo ariary. Raha ny voalazan’ny manodidina sy ireo mpiara-belona aminy dia mamoa-doza foana ity raim-pianakaviana ity isaky ny mamon-drongony. Izany no nisarahan’ny vadiny taminy noho ny henatr’olona. Tato ho ato, raha ny tati-baovao, dia maro amin’ireo tovovavy mitoby amin’ireny trano natokana ho an’ny traboina ireny no voaolana, kanefa tsy afa-mitory noho ny tahotra. Tsy ferana ny fivarotan-tena manara-penitra noho ny herin’ny vola sy ny kibo tsy mba lamosina.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser