- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAntehiroka : Lehiben’ny zandary nofaohin’ny fiara

Antehiroka : Lehiben’ny zandary nofaohin’ny fiara

Manodidina ny tamin’ny telo ora tolakandro teo no nitranga ilay lozam-pifamoivoizana. Ny lehiben’ny borigadin’ny zandarimaria ao Ambohibao no nofaohin’ny fiara lehibe iray, mitondra ny marika Sprinter. Nandeha kodiaran-droa ilay mpitandro ny filaminana tamin’io fotoana io. « Nandeha mafy ilay fiara ary teo amin’ny sampanana no tsy voafehiny intsony ny familiana ary nifatratra taty amiko » raha araka ny fanazavan’ilay zandary izay azo an-telefaonina. Potika tanteraka ilay kodiaran-droa ary izy kosa naratra teo amin’ny tongony. Omaly dia mbola tany amin’ny hopitaly ary notarafina ny tongony noho io lozam-pifamoivoizana nihatra taminy io. Divin-janahary no tsy nahavoa mafy azy raha araka ny fijery ny sarin’ilay loza nitranga. Ilay mpamily kosa avy hatrany dia notazomina eny anivon’ny zandarimaria ao Ambohibao. Mbola nikasa ny nitsoaka mantsy io taorian’ilay lozam-pifamoivoizana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici