- Publicité -
jeudi, mai 29, 2025
AccueilSportsAntehiroka : Marary saina voalaza fa mpangala-jaza, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Antehiroka : Marary saina voalaza fa mpangala-jaza, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Efa teo am-pibatana zaza iray ity tovolahy lava ranjanana no sendra nisy nahita. Raikitra ny antso vonjy nitangorona ny olona. Tsy nisy alaharo alaharo fa samy rafitra namely avokoa. Saika tapitra hatramin’ny ainy, raha tsy tonga haingana ireo zandary. Tranga niseho ny harivan’ny alarobia teo  tetsy Antehiroka.

Raha ny zava-nisy tamin’io fotoana io mantsy, araka ny angom-baovao azo, dia avy hatrany dia nobatainy tsotr’izao ny zazakely iray, nilalao teo an-tokontany. Talohan’io ingahirainy dia efa tsy nitsahatra nihaodihaody teo, raha ny vaovao hatrany. Nisy nahita izany zavatra izany ary raikitra teo ny akoralava. Nifanenjehana ary tsy lasa lavitra ity « mpangala-jaza » ity dia voasambotra. Voalaza tamin’izay fa nitondra sakaosy ity farany ary nahitàna karazan-javatra maro, toy gony, sachet ary seringue sy tady tao anatiny. Tsy tana teo intsony moa ny hatezeran’ireo fokonolona ka samy nifandimby nidaroka azy avokoa ny rehetra. Ireo zandary, miasa avy etsy amin’ny zana-tobim-paritra Ambohibao, izay nisy nampandre no tonga haingana nanesotra azy teo am-pelatanan’ireo fokonolona.

Tamin’io fotoana io ihany moa dia nentina nihazo ny biraon’ny zandary ity farany ary notazomina natao andrimaso ary nohadihadiana. « Nisy tokoa ny entana teny aminy saingy tsy nahitàna afa-tsy « sachet » maromaro sy gony tao anatin’izany », hoy ny fanazavana azo avy tamin’ireo mpanao fanadihadiana. « Etsy andanin’izay, rehefa nohadihadiana izy dia hita fa olona tsy salama saina mihitsy ». Nanaporofo izany rahateo moa raha ny fanazavana azo hatrany ireo taratasy fitsaboana azy nasehon’ny havany ireo tompon’andraikitry ny filaminana. « Nanomboka ny volana febroary lasa teo ity tovolahy ity no nitsabo tena teny amin’ny hopitalin’ny marary saina eny Anjanamasina. Ireo tompon’andraikitr’izany tobim-pahasalamana izany ihany koa dia nanamafy fa anisan’ireo olona tsaboin’izy ireo ao izy ». Taorian’ny fanamarinana isan-karazany moa dia navotsotra ary nomena ny fianakaviany sy naterina eny Anjamasina ny lehilahy.  

Mampisavoritaka ny sain’ny maro tokoa ity tranga halatr’olona etsy sy eroa ity. Hany ny zavatra tsy voahevitra iray, mety hitarika zavatra maromaro ary mety ho tonga hatrany amin’ny famoizana aina mihitsy. Raha ity tranga tetsy Antehiroka ity mantsy no dinihana, dia azo lazaina fa efa tena maimbo rà olona. Hany ka raha vao manao fihetsika hafahafa dia mety hihafara amin’ny fitsaram-bahoaka mihitsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici