Rangahy iray manodidina ny 40 taona no hita faty nivalampatra teo amoron’arabe, ny alakamisy alina lasa, teo Andramiarana, Andranoro, amin’iny lalana mivoaka mankany Ambohitrimanjaka iny. Araka ny fizahana voalohany nataon’ireo tompon’andraikitra teny an-toerana dia maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ity rangahy ity. Tsy hita teny an-toerana kosa anefa izay nahavanon-doza raha ny vaovao voaray hatrany. Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany tany ho any no niseho ny loza raha ny fanazavàna azo. Nitaingina bisikleta io raim-pianakaviana io ary an-dalana handeha hody. Mponina eny an-toerana rahateo ny tenany. Azo heverina angamba, hoy hatrany ny vaovao, fa mety ho dona mafy no nahazo azy, satria dia nivalona roa mihitsy ilay kodiaran-droa nandehanany. Nahitana ratra isan-karazany ihany teny amin’ny vatany sy ny lohany. Olona sendra nandalo teny an-toerana no nahita azy efa nilomano tanaty ny rà nandriaka, namonto ny arabe. Efa tsy nisy aina intsony, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraikitra teny an-toerana. Amin’izao fotoana izao moa dia fantatra fa efa mandeha ny famotorana sy fanadihadiana rehetra mba hikarohana ny fiara sy ny mpamiliny izay nandona ity rangahy ity. Efa nomena ireo fianakaviana kosa ny razana.
m.L



