Nataon’ireo tsy mataho-tody ho miendrika fahafatesana tsotra ny vono olona nataon’izy ireo. Zazavavikely vao sivy taona monja no lasibatra tao anatin’izay. Olona dimy no voasambotra samy nadoboka am-ponja avokoa.
Ny 24 desambra no nanomboka tsy hita ny zazavavikely iray sivy taona, monina eny amin’iny faritra Antehiroka iny. Nanao fampilazana tao amin’ny zandary tao an-toerana ireo fianakaviany ny ampitso. Nanomboka teo ny fikarohana kanjo efa vatana mangatsiaka, tsy nisy aina intsony no hitan’ireo fianakaviana tao anaty dobo an-tanimbary, tsy lavitra teny an-toerana ihany. Nahitàna faritra mangana ny tarehiny ary nisy rà nivoaka ny vavany, hoy ny fampitam-baovao. Noeritreretina ho nianjera sy nidona tamin-javatra no nahatonga izany sy ny antony nahadobo azy an-drano, izany hoe fahafatesana tsotra. Tsy nionona tamin’izany anefa ireo tompon’andraikitry ny filaminana fa nanokatra ny fanadihadiana.
Kanjo inona tokoa, telo andro taorian’ny nahitàna ny vatana mangatsiaka an’ilay zaza dia tonga nametraka fitoriana ny reniny. Nitory lehilahy iray, izay azo feo fa hoe nokaramain’ny olona dimy, nanakarama azy tamin’ny vola dimy arivo ariary, haka an-keriny sy hamono ity zazavavikely ity. Nivoatra haingana teo ny raharaha, ka niroso tamin’ny fikarohana ity olona ity ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka. Tsy ela dia fantatra ny toeram-ponenan’ireto olona ireto, ary nilatsahana avy hatrany tany an-toerana. Olona dimy, lehilahy efatra sy vehivavy iray no voasambotra tamin’io fotoana io, ary nentina nanaovana fanadihadiana. Tetsy andanin’izay kosa dia fantatra fa mbola misy olona iray, vehivavy, karohina. Ny faran’ny taona lasa teo no nentina natolotra ny Fampanoavana ireto olona voarohirohy tamin’ny resaka vono olona ireto. Tamin’io fotoana io ihany koa no voalaza fa nipoitra ho azy, nilaza ho mpanati-bary ilay ramatoa nokarohina. Hatreto, tsy fantatra mazava izay tena antony nanosika ireto olona ireto, ahavanon-doza tahak’izao. Nanapa-kevitra ny hampiditra azy ireo am-ponja vonjimaika moa ireo mpitsara mpanao famotorana, ka ny efatra tamin’izany, avy hatrany dia nalefa Tsiafahy, raha eny Antanimora ny roa.
m.L