Raha niezaka ny nitady vahaolana tamin’ny minisiteran’ny fambolena izay nanome alàlana ny fikambanana katolika “Saint Gabriel”, izay mbola nohavaozina tamin’ny 10 aogositra 2017 nosoniavin’ny minisitra Rakotovao Rivo tamin’izany, ny fifanarahana fanofana ny tany, sy ny fitsarana tamin’ny alalan’ny fahazoana titra tsy ara-dalana nataon’ity tovolahy milaza fa zanaky ny mpiasa teo aloha tao amin’ilay tany natsoina hoe “Operation Café” teo aloha ity, dia tsy nisy izany tao anatin’ny 5 taona ny olana. Ny zava-misy aza vao mainka nikatso tanteraka ny raharaha.
Noho ireo antony ireo, dia namaky ady mivantana amin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny fambolena, sy ny fitsarana izay mampitarazoka ny raharaha tonga eny aminy, ny fiangonana katolika sy ireo mpino ao aminy, ankehitriny. Nisy noho izany ny fiantsoana fihaonana ho fanazavana ny zava-misy nataon’ny arsevekan’i Toamasina ny Mgr Tsarahazana Desiré tamin’ireo mpino katolika, nahitana ireo solon-tena isaky ny diosezy sy ny mpanolo-tsaina pastoraly, ny tangalamena solon-tenan’ny mponina ao Antetezambaro sy ny ben’ny tananan’ny kaominina Antetezambaro Atoa Cesar, ary ny mpanao gazety, tao amin’ny katedraly Md Josefa Ampasimazava. Nandritra izany no namakian’ny fiangonana katolika ny fisiana kolikoly avo lenta sy tamba-jotra goavana amin’ny halatra tany ; izay sakana amin’ny sosialim-bahoaka. Mazava ny titran’ ny tany ao Analamalotra na eo anivon’ny minisiteran’ny fambolena na eo anivon’ny biraon’ny fananan-tany eto Toamasina, fa “La Redoute, TF 3072-BA” no izy; nefa milaza ho manana titra hafa mikasika ny tany tsy mazava, ity tovolahy milaza ho namana mpitsara sy tanan-kavanan’ny fitsarana eto Toamasina ity ka sahy manao antsojay, nefa mandoa hatrany ny hofan-tany ny “Saint Gabriel”. “Aoka mba tsy ny olom-bitsy no hanampatra ny heriny eto, fa jereo ihany ny fanasoavana ny maro”, hoy ny Mgr Tsarahazana Desiré nitodika tamin’ny fanjakana sy ny fitsarana. Manao antso amin’ny firaisan-kinan’ny rehetra hijerena akaiky ity olana ity ihany koa ireo mpino katolika sy ireo mponina ao Analamalotra, satria tombontsoam-bahoaka ny asa sy ireo vokatra fanatsarana ny fidiovana sy fanadiovan’ny vahoaka natao tamin’ireo orinasa madinika tao hatramin’izay.
Hita nihatrika ity fihaonana nokarakarain’ny fiangonana katolika tamin’ny alalan’ny arsevakan’i Toamasina, ny Mgr Tsarahazana Desiré, tao Ampasimazava ity ihany koa, ny mpanolo-tsaina manokan’ny praiminisitra Atoa Mahazaka Clermont Gervais izay nahazo nasaina manokana. Sombiny amin’ny raharaha tany mahazo ny vahoaka “madinika” ny ao Analamalotra, fa mbola ho avy ny filazan’ny katolika ireo olana maro misy eto Toamasina tsy misy vahaolana hoy izy ireo.
Malala Didier