- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntetezana Afovoany : Fatin-jazarano nisy nanary, hita tao anaty lavapiringa

Antetezana Afovoany : Fatin-jazarano nisy nanary, hita tao anaty lavapiringa

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 6 ora tany ho any, tetsy Antetezana Afovoany, fatin-jazarano iray no hita tao anaty lavapiringana tokantrano iray. Ramatoa tompon-trano handeha hanary maloto vao maraina tao anaty “pot” no nahita ny razana. Taitra ity renim-pianakaviana ity, ka nihoraka ary nanaitra ny manodidina nampahafantatra ny zava-nisy. Raha ny fanazavana azo, dia mety ny alina no nisy nanary tao anaty lavapiringan’olona ity fatina zazarano ity. Ary mety ny tolakandron’io no nanalana azy tao an-kibon-dreniny. Raha ny vaovao azo hatrany, dia feno avokoa ny taova maha olombelona azy, izay lahy kely (enim-bolana eo ho eo). Ankevitry ny tsy nahita toerana nandevenana na nanariana ilay mpanala zaza, ka izao natao tao anaty W.C izao, satria ny ankamaroan’ny tany amin’iny faritra iny moa dibodrano avokoa.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser