- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAntetezana Afovoany : Jiolahy 12 nanafika, lasa ny vola sy ny finday

Antetezana Afovoany : Jiolahy 12 nanafika, lasa ny vola sy ny finday

Mandry tsy lavo loha ny mponina eny Antetezana Afovoany nandritry ny roapolo andro izay, araka ny voavao azo eny an-toerana. Manao andiany ny mpandroba ary miisa hatrany amin’ny 12 any izy ireo. Trano iray no efa niverenan’izy ireo indroa norobaina. Eo amin’ny 3 ora maraina eo ry zalahy no tonga. Ny tany ambany rihina aloha no lasibatra.  Very tamin’izany ny vola 12 000 ariary sy ny finday rehetra. Tsy nijanona teo anefa ny fanafihana fa niakatra tany ambony rihina ireo mpangalatra. Dia misesy ny fanafihana. Tamin’ny alatsinainy, voalazan’ny vaovao fa teny amin’ny tafontrano ry zalahy no niditra. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa toerana maro no hanjakan’ny asan-jiolahy. Teny Andranomanalina nirodorodo be ireo mpangalatra. Efa samy taitra ihany ny mponina ary nisy mihitsy aza ny fifanenjehana tamin’ny alatsinainy.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser