- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversAntetezana Afovoany : Nodoroin-dramatoa ny trano, may ny filahian-drangahy

Antetezana Afovoany : Nodoroin-dramatoa ny trano, may ny filahian-drangahy

Trangam-piarahamonina hafa kely no niseho tetsy amin’ny fokontany Antetezan’Afovoany 67 Ha Atsimo, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany. Nodoroin-dramatoa ny trano vokatry ny ady sy fifamaliana nisy teo amin’izy mivady nanomboka afak’omaly alina. Rangahy tamin’io mbola matory tsy nanampo na inona na inona. Ramatoa kosa naka lasantsy tao anaty môtô ary nanondraka izany eran’ny trano sy tamin’ny fandriana natorian’ilay rangahy. Niredareda ny afo ary ny antsovonjy nataon’ity farany no nanaitra ny manodidina. Raha ny fanazavana dia may vokatry ny firehetana ilay raim-pianakaviana ary voa mafy ny manakaiky ny kibony sy teo amin’ny filahiany. Voalaza fa miady matetika ireto mpivady tanora ireto, hoy ny manodidina. Afak’omaly ohatra, raha ny fanazavana hatrany, dia naratra sy nibindana tarehy fa voadaroka ramatoa. Noho ny daroka sy vono nahazo azy dia ankevitry ny namalifaty ity renim-pianakaviana ity ka nodoroiny ny trano ary saika navelany ho levon’ny afo tao ny vadiny raha tsy nalaky taitra.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser