Tovovavy iray handray 15 taona ny 17 febroary izao, kilasy “seconde” mianatra amina sekolim-panjakana iray etsy Ampefiloha, no namono tena nitelina pilina fanafody “paracetamol” maherin’ny 30, omaly naraina, tetsy 67 ha Atsimo (Antetezana Afovoany). Rehefa avy nivavaka izy ny maraina (tokony ho tamin’ny 10 ora latsaka kely), dia nihidy tao anaty efitranony, sady nigogogogo nitomany, hoy ny reniny. Ny zandriny lahy saika handeha hijery fahitalavitra no nahita azy nivoaka farora-bava fotsy sady efa niakatra ny masony, ka nanaitra ny tao an-trano. Fantatra fa famoizam-po vokatry ny fandaozan’ny sipany azy no nanosika ity zazavavy ity hanapitra ny ainy izao. Mihavery ny soatoavina malagasy amin’izao, sy ny oha-pitenenana manao hoe : “ Tanala very sampy, ny manova no mety ”. Ny « Saint-Valentin » nefa akaiky !
Manitrisa