Tafiditra ao anatin’ny fanabeazana skotisma, indrindra fa ny eo anivon’ny Antilin’i Madagasikara ny fitandroana sy ny fikolokoloana ny zavaboary. Ny sabotsy teo dia nifampitaona tetsy Ambohimalaza ireo Antily teto anivon’ny diosezin’Antananarivo, nanantanteraka ny adidin’izy ireo amin’ny vina ny hamerenana indray ho maitso an’i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo. « (…) Hanompo ny tanindrazako no ilofosako. Iomanako isan’andro, handray ny adidiko », araka ny hiran’ny veliranon’izy ireo.
Zana-kazo maromaro no voavoly teny an-toerana, niarahan’ireo rehetra nifarimbona, nanomboka tany amin’ny « Lovitao », ny « Mpianjoria », ny « Mpamakilay », ny « Mpiandalana », ary ny « Mpiandraikitra » sy ny « Tonia » niaraka tamin’ireo Antily Zokiny ary ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Foibe. Nohararaotina tamin’io fotoana io ihany koa ny nanaovana ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2023. Natomboka tamin’ny fanompoam-pivavahana moa ny fotoana, narahin’ny fambolena hazo, ary nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo sy ny lalao, koranan’ny mpirahalahy. Ny masoandro moa ny nampalahelo. Tanteraka tokoa teo ny Teny nalaina tao amin’ny bokin’ny Romanina 12,10 izay milaza hoe « mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpirahalahy, mifaninana hifanaja ».
Nangonin’i m.L