- Publicité SW45 -
lundi, juillet 1, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntilin’i Madagasikara : Nanentana ny olona tsy handoto intsony

Antilin’i Madagasikara : Nanentana ny olona tsy handoto intsony

Vonona mandrakariva ! Ny sabotsy lasa teo, nanantanteraka hetsika fanadiovana manokana teny amin’iny faritra Anosy iny, avy eo anivon’ny Antilin’i Madagasikara, diosezy Antananarivo. Hetsika izay notarihin’ny Filohany, Atoa Ranivohasina Joseph Christian, ary niarahan’izy ireo niasa tamin’ny pôlisim-pirenena. « Nosafidiana manokana ny tety Anosy, satria tety izahay no nahazo alalàna. Nisy ihany koa ny fiaraha-miasa tamin’ny pôlisim-pirenena, izay isaorana manokana ny Ministra sy ny Sekretera Jeneralin’ny ministera, nanome alalàna sy fitaovana » araka ny fanazavana nentin’ny Filohan’ireto Antily avy eo anivon’ny Diosezy Antananarivo ireto.

Marihana fa tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena izao hetsika manokana nataon’ireto skoto ireto izao ary ihany koa entina hanaovan-tsoa eny anivon’ny  fiaraha-monina araka ny fipitsik’izy ireo, fa indrindra, entina hanentanana ny olom-pirenena tsirairay mba handray andraikitra, hahalala madio sy tsy handoto intsony ny faritra misy azy ireo. « …tsy hanary fako etsy sy eroa, na hanentsika ireo tatatra amin’ny tavoahangy plastika sy ny tariny » hoy hatrany ny fanazavana.

Antily an-jatony avy eto anivon’ny Diosezy Antananarivo no indray niara-nientana, namafa, nisoroka ary nanala ireo fako sy tsentsina isan-karazany tamin’ireo tatatra sy faritra manodidina ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka iny, tamin’io marainan’ny sabotsy io. Nankasitraka izao sy nisaotra ireto skoto avy eo anivon’ny Antilin’i Madagasikara ireto moa ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena tamin’ity hetsika ity ary mirary hatrany ny hitohizan’ny fiaraha-miasa. Tanteraka tamin’ity hetsika fanadiovana ity tokoa ilay andininy fahatelo ao amin’ny hiran’ny Veliranon’izy ireo : (…)Hanompo ny tanindrazako no ilofosako. Iomanako isan’andro, handray ny adidiko …

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici