Vehivavy iray izay nikasa ny hanolo passeport mba hampiasaina hoentina any Koweït no nataon’ity mpisoloky lasibatra. Nampanantena izy fa mahavita manao izany ao anatin’ny fotoana fohy ary tsy mila antontan-taratasy maro. Efa tamin’ny volana jolay no vita ny fifanarahana ary tena roboka tokoa ilay ramatoa, satria ny tena nahiany dia ny fahasarotan’ny fanamboarana pasipaoro ho an’ny olona hiasa any amin’ny firenena voatonona etsy ambony. Dimy volana taty aoriana, tsy nety vita ny taratasy ary nanomboka teo no nametraka fitoriana ilay ramatoa. Napetraka tao amin’ny pôlisy miandraikitra ny boriborintany fahafito ny fitarainana ary teo koa no nanomboka ny fanadihadiana. Nasaina nandeha teny amin’ny biraon’ny pôlisy etsy Anosy, miandraikitra ny pasipaoro, ilay vehivavy ary tena hita teo ivelany teo tokoa ilay voarohirohy ho mpisoloky, antsoina hoe Jean Louis, raha araka ny fanazavan’ny pôlisy. Tsy navelan’io farany niditra tao amin’ny birao ilay vehivavy ary izany fihetsika izany dia nanamafy ny fanahiana azy ho mpisoloky. Natao ary ny fisamborana ary niaiky ny heloka vitany i Jean Louis. Isan’ny lainga entiny miady ny hoe manana dadatoa miasa eo anivon’ny sampandraharaha voakasika izy. Isan’ny manamafy ny fisian’ny kolikoly eto amintsika ny hakamoana hanao taratasy. Ny pasipaoro matetika dia tapak’andro ihany dia vita rehefa feno ny atontan-taratasy. Manaraka izany, tsy maintsy mila tonga ao amin’ny sampan-draharaha vao tokony ho vita izany, satria mila maka sary izay vita eo no ho eo ary apetraka amin’izany. Dikany, fisolokiana avokoa ny hoe mahavita izany kanefa tsy mila mandeha eny an-toerana. Manaraka izany, tsy dia ilaina loatra amin’ny fanaovana pasipaoro ny toerana haleha ary tsy anontaniana akory aza izany. Betsaka ihany ny zavatra tokony ho fantatry ny olona mba tsy hirobohan’ireo ao anaty kolikoly izay mampahazo vahana ihany koa ny asa fisolokiana.
D.R



