Afak’omaly tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany alina tany ho any no namoy ny ainy ity vehivavy, manodidina 40 taona mahery ity, tao an-tranon-dRtoa Therèse, raha nampindrana trano fivoahana azy ity farany, teny Antohomadinika Atsimo IVO. Araka ny filazan’io tompon-trano io dia efa alim-be io vehivavy io no tonga mba niangavy trano fivoahana tao an-tokantranony. Zava-doza anefa avy eo no nitranga. Rehefa avy nivoaka ilay vehivavy dia avy hatrany dia nidaboka ary tsy nifoha intsony, raha ny voalazan’ilay ramatoa tompon-trano. Tsy fantatra mazava anefa hatreto ny tena nahafaty ilay ramatoa. Mibontsina be ny kibony raha ny fahitana ny razana teny an-toerana. Raha ny fanazavan’ny Sefo fokontany, Rtoa Ravaosolo Albertine Rondro, dia omaly maraina no tonga nampandre ny fokontany ny fisian’io ramatoa maty io ity tompon-trano. Nisy taratasy fanazavan’ny dokotera nampiarahany taminy izay manambara ny fijanonan’ny fo, antony nahatonga ny fahafatesana. Ny pôlisy tonga teny an-toerana kosa no nilaza fa tsy mikilaoty intsony io ramatoa io ary nahitana rà ny fivaviany, raha ny fitantaran’ny sefo fokontany hatrany. Nanamafy ihany koa ny zana-drahavavin’ity ramatoa maty, Rtoa Juliette, izay fantatra fa olona nipetraka teo akaiky teo ihany, fa efa nisy aretina mitaiza ity ramatoa io. Ny sabotsy teo, raha namangy azy ireo io ramatoa io no efa nanambara fa avy narary. Voalaza fa eny Namontana no mipetraka ity ramatoa maty ity, saingy avy nivarotra no nahataraiky azy. Mpamatsy ireo mpivarotra eny an-toerana mantsy no asany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, nizaha ny razana.
m.L