- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Dimy lahy mpamaky trano tratran’ny polisy

Antohomadinika : Dimy lahy mpamaky trano tratran’ny polisy

Nahitana vokany ny asa nataon’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-4. Mpandenaka miisa dimy no tra-tehaka taorian’ny fanenjehana azy ireo. Andian-jiolahy izay nampitondra faisana ny eny amin’ny manodidina. Andrasan’izy ireo ny hariva amin’ny fotoana hikatokan’ny mpivarotra. Teny Antohomadinika no tena nanaovan-dry zalahy izany. Tamin’ny talata faha-24 martsa 2015 tamin’ny 05 ora sy sasany hariva, ohatra, olona iray no noratrain’izy ireo tamin’ny vely vody basy. Lasany tamin’izany koa ny vola 500 000 Ar.,  niampy finday maro. Tonga teny an-toerana ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahaefatra, tsy tratra ireo mpanao ratsy fa tafatsoaka . Ny  fomba fiasan’ireto mpanafika ireto dia ny harivariva alohan’ny fihidian’ny « bar » , fihidian’ireo mpivarotra enta-madinika, « taxi-phone » ary «  cyber-café » ary mitonona ho mpitandro ny filaminana izy ireo . Nandeha ny fikarohana niampy ny vaovavo avy amin’olona tsara sitrapo. Iray no tratra. Izy indray no nanoro ny namany hafa. Dia sahala amin’izany hatrany, ary farany traingo avokoa izy dimy.

Nandeha ny fanadihadiana ka fantatra tamin’izany fa efa misy mpamerin-keloka  ny iray amin’ireto andian-jiolahy ireto, izay vao nivoaka tamin’ny 06 martsa 2015 lasa teo, ary mbola nahafantarana ihany koa fa izy ireo no nanatanteraka ilay fanafihana « cyber café » teny Ampefiloha ny 31 desambra 2014. Mitohy hatrany ny famotorana ary ny avy ao amin’ny BC no manohy izany amin’izao fotoana izao.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser