Tato anatin’ny andro vitsivitsy izay dia toa nandrenesana asan-jiolahy foana teto an-drenivohitra. Omaly hariva dia jiolahy efa-dahy nirongo kalach indray no nanafika tokantrano iray tetsy Antohomadinika. Lasa tamin’izany indray ny vola mitentina 2 tapitrisa ariary teo ho eo. Soa ihany anefa fa tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy. Toa nentin’ireo olon-dratsy nampitahorana ireo tompon-trano ihany fotsiny ilay basy mahery vaika nentin’izy ireo fa tsy napoakany, raha ny fitantaran’ireo olona teny an-toerana. Toy ireny mpividy handeha hividy zavatra ireny no nitsofohan’izy efa-dahy ireto tamin’io trano io, izay marihina fa mpivarotra mpamongady. Niova tanteraka anefa ny tantara raha vantany vao tafiditra ry zalahy fa avy hatrany dia vava-basy no teny anoloan’ilay tompon-tsena, izay tsy nanao na inona na inona intsony ihany koa. Nanjaka tanteraka tao amin’ilay fivarotana araka izany ireto olon-dratsy ireto. Naka izay azo nalaina, ny vola sy ny entana sasantsany misy vidiny. Toy ny mahazatra, dia nirifatra nitsoaka izy ireo raha vao vantany nahavita ny asa ratsiny. Amin’ny fanafihana toa izao dia matetika “efa lasa foana ny alika vao mitora-bato”, araka ny fitenenana. Izany hoe efa mahavita sy tafatsoaka lavitra foana ireo olon-dratsy vao tonga ny mpitandro filaminana hanao fizahana. Inona intsony no hita eo, efa nadio tanteraka ny rano nitan’ireo jiolahy. Kanefa rehefa dinihana ihany, tsy masinina akory ireo mpitandro filaminana ka hahita izay mitranga eny rehetra eny. Mila ny olona no mampandre azy ireo, tsy voatery ho ireo voatafika akory fa ny manodidina dia afaka manao izany, mba hahatonga iretsy voalohany higadona eo ara-potoana.
m.L