- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika F.A.A.MI : Nisahotaka ny mponina, manahy ny amin’ny fahasalamany noho ny...

Antohomadinika F.A.A.MI : Nisahotaka ny mponina, manahy ny amin’ny fahasalamany noho ny fisiana “Pylone”

Taorian’ny fitokonana nataon’ny mponin’Ivato manoloana ny fametrahana “Pylone” eo amin’ny faritra misy azy ireo, dia anjaran’ny mponina ao amin’ny fokontany Antohomadinika F.A.A.MI indray ny maneho ny fitarainan’izy ireo. Omaly, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo, dia nanatanteraka fitokonana entina hitakiana ny hanalana ity “Pylone” iray lehibe ny fokonolona. Ho azy ireo loza manambana izay tsy azo ekena velively ny fametrahana “Pylone” amin’ny toerana misy olona miaina sy mivelona tahaka ity. Manahy izy ireo ny amin’ny mety ho fiantraikan’izany amin’ny fahasalaman’izy ireo sy ny fianakaviany. Raha ny fanazavana azo hatrany moa dia “zavatra” kely tsy atahorana no nifanarahan’ny fokontany tamin’ny tompon’izao tetik’asa izao hapetraka eo. Saingy mahagaga fa dia “Pylone” lehibe tokoa no najoro.  Ho fitakian’izy ireo ny zony, dia nanangona sonian’ny isan-tokantrano manakaiky ity “Pylone” ity ny tompon’andraikitra sasantsasany mba ho fanamarinana ny fiombonan’izy ireo hevitra ny amin’ny tokony hanalana izany. “Dieny mbola tsy miasa ny “Pylone” dia aleonay misoroka fa tsy te hahazo aretina sy loza amin’ny fisian’io eto amin’ny fokontaninay izahay tompoko.”, hoy ny fanamarihan’ity renim-pianakaviana iray. Ny taratasy fangatahana fanalana io “Pylone” io moa, raha ny vaovao voaranay teny an-toerana, dia efa nampitaina tamin’ny ambaratongam-pahefana 5 eo anivon’ny boriborintany Antananarivo I, saingy izao naverina izao indray ka nitarika ny fahatezeran’ny vahoaka. Raha ny fantatra moa, dia efa misy eo amin’ny tapa-bolana mahery eo no nametrahana ny fototr’ity “Pylone” ity. Hotohizana hatramin’ny anio moa ny hetsika fanairana ny tompon’andraikitra.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici