- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Fivarotana telo indray voatafika, lasa ny vola 1 tapitrisa ariary

Antohomadinika : Fivarotana telo indray voatafika, lasa ny vola 1 tapitrisa ariary

Tsy mampitahotra ny mpandroba intsony amin’izao fotoana izao ny hamaroan’ny olona eny an-dalana. Sahiny ny manendaka ankitsirano

Ny harivan’ny alatsinainy teo, tamin’ny 7 ora tany ho any, fivarotana miisa telo indray no nasesin’ny jiolay mitam-basy notafihana teny Antohomadinika. Ny vaovao voaray no nahalalana fa  raha atambatra ny vola lasan’ireo olon-dratsy dia tafakatra hatrany amin’ny 1 tapitrisa ariary mahery. Toy ny teny Andavamamba tamin’ny faran’ny herinandro lasa, mbola maro ny olona mifamezivezy eny an-dalana. Kendren’ireo mpandroba anefa amin’ilay tsy misy olona mividy zavatra ao amin’ilay mpivarotra dia miditra ohatra ny mpanjifa rehetra ry zalahy. Efa tao anatiny izy ireo vao taitra ny mpivarotra voambana basy. Tsy afaka nihetsika. Nasaiana namoka ny vola. Tsy niandry izany anefa ireo mpandroba fa ry zalahy no nandroaka ny vola. Tao amin’ilay fivarotana voalahany, nahazo 3 hetsy ariary ny jiolahy. Tao amin’ilay faharoa, iray hetsy ariary ary tao amin’ny fivarotana fahatelo 7 hetsy ariary. Raha vao azon’ireo mpandroba ny vola dia lasa izy ireo. Taorian’izany vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ireo voatafika. Natao ny fikarohana an’ireo bandy ireo nefa tsy nisy nangirana izany. Mitohy hatrany ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser